Fanadinana BEPC : Miisa 325 253 ny mpiadina ka teratany vahiny ny 11 amin’ireo

  • dimanche, 18 juillet 2021 12:06

Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny alatsinainy 19 jolay ka hatramin’ny alakamisy 22 jolay 2021 ny fanadinam-panjakana BEPC na ny « Brevet d’Etude du Premier Cycle ».

Miisa 325 253 ireo mpiadina, ka 8 taona ny zandriny indrindra, ary 68 taona ny zokiny indrindra.

Miisa 11 ny teratany vahiny mpiadina hiatrika izany fanadinam-panjakana BEPC izany amin’ity taona ity.

Miisa 167 319 ny mpiadina amin’ny sokajy A, raha toa ka 157 934 ny ao amin’ny sokajy B.

Miisa 27 ireo mpiadina manana fahasamihafana, ka 5 jamba, 1 manana olana ara-pahitana, 19 marenina ary 2 sembana ara-batana.

Hitsinjara amin’ireo ivon-toeram-panadinana miisa 1 056, raha toa ka 10 947 ny efitranom-panadinana, ary 168 ny ivon-toeram-pitsarana ireo mpiadina.

Mitohy tsy hisy fiatoana ny fanadinana na andro tsy fiasana, fety Silamo, aza ny Talata 20 jolay 2021.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.