Mahanoro : Tonga ny fitaovana hanamboaran-dalana

  • vendredi, 09 juillet 2021 16:20
  • Sary nindramina

Tonga any Mahanoro ny talata alina 06 jolay teo ny fitaovana vaventy hanamboaran-dalana.

Napetraka any amin’ny karieram-baton’i Saint Germain ihany koa ireo milina lehibe famakiana sy fitotoam-bato.

Ny Loholon’i Madagasikara voafidy tany Toamasina, mpandraharaha no sady Ben’ny tanànan’i Mahanoro teo aloha, Manasoa Donat Tang, no nampahafantatra izany.

Potika tanteraka ny lalana RN11A mampitohy an’i Mahanoro amin’ny RN2 ao Antsampanan’i Vatomandry.
Andaniana ora dimy be izao ny lalana mirefy 90 km ao Vatomandry ka hatrany Mahanoro noho ny faharatsiany.

Tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana no vita tara iny lalana iny.
Zara raha nisy ny fikojakojana taty aoriana, ary dia io izy potika ankehitriny io.

Toerana be vokatra fanondrana toy ny lavanilina sy manana herena ankibon’ny tany maro, toy ny volamena sy vatosoa iny tapany atsimo amin’ny faritra Atsinanana iny.

Any Mahanoro rahateo ny fihavian’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Naharimamy Irmah sy ny Goverinora Rafidison Richard Théodore ary ny sasantsasany amin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy.

Tazana ho nisy fiarabe sy fitaovana hafa tonga tany Mahanoro ny volana febroary teo ka noheverina fa hanamboatra iny RN11A iny.
Tsy nisy anefa ny fanombohan’ny asa tamin’izay, araka ny fanamarihan’ny mpanara-baovao avy amin’iny faritra iny.

Ny herinandro lasa teo ihany koa dia nanao antso avo mikasika ny fanamboarana ny ampahan’ny RN2 Brickaville-Toamasina ny Loholona Manasoa Donat Tang.

Mampikaikaika ny mpampiasa lalana tokoa raha ny faharatsian’iny lalana iny.
Nambaran’ny olomboafidy fa nanoina ny antso ny minisiteran’ny asa vaventy ka hirosoana atsy ho atsy ny fanamboarana.

Balita Raharisoa

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.