Ambanisarika Distrika Ambovombe : Nitrangana fanafihana mitam-piadiana

  • vendredi, 09 juillet 2021 14:00
  • Sary ZP

Tokatrano iray tao Androhondroho Kaominina Ambanisarika, Distrika Ambovombe no notafihin’ny andian-jiolahy 07 mitam-piadiana ny 02 jolay 2021 tokony misasak’alina.

Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny volany mitentina 11 tapitrisa Ariary sy basim-borona iray cal 12, miampy ireo firavaka volafotsy 04 firava-behivavy iray boaty.

Naratra voafira famaky amin'ny lohany nandritra io fanafihana io ny zazalahy iray sy ny reniny izay voatoto vodibasy.

Nifarimbona tamin’ny fanenjehana ireo dahalo ny Zandary sy ny Fokonolona ka efa voasambotra ny 04 tamin'ireo 07 nanafika.

Nisy vola 300 000 Ariary tratra tamin'ireo nahavanon-doza.

Notazomina tao amin’ny Borigady Ambovombe ireo voarohirohy natao famotorana.

Tsy misy atahorana ny ain'ireo naratra fa efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy ao amin’ny CSB2 Ambovombe avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.