Soamahamanina - Miarinarivo : Fora zaza niteraka vono olona

  • vendredi, 09 juillet 2021 13:41

Lehilahy iray voalaza fa efa nandray zava-pisotro mahamamo no tonga tamina lanonam-pianakaviana, fora zaza, tao Antanetibe, Kaominina Soamahamanina, Distrikan’i Miarinarivo ny alahady 04 jolay 2021 alina.

Nifamaly sy nanakorontana tao amin’ny lanonana izy io, nentin’ny hamamoana.
Tezitra noho izany ny tompon-danonana ka niantso Fokonolona. Naratra mafy ilay lehilahy io vokatry ny fifanjevona nisy.

Tonga avy hatrany tao an-toerana ny Zandary rehefa nahazo fampilazana.

Noentina haingana tao amin'ny tobim-pahasalamana ao Soamahamanina ilay lehilahy naratra mafy, kinanjo teny andalana dia tsy tana intsony ny ainy.

Nalain’ny fianakaviany ny faty tao aorian'ny fitiliana nataon'ny Dokotera.
Nandray an-tanana ny famotorana ny Brigady ny Zandary Miarinarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.