Fandrobana tranombarotra : Olona dimy voasambotra tao Antsiranana

  • vendredi, 09 juillet 2021 11:40
  • Sary ZP

Nisy nandroba ny orinasa DADA TAMA MOTORS DIEGO ao Antsiranana ny alin’ny 17 hifoha ny 18 jona 2021. Very tamin’izany ny moto tricycle BAJAJ mbola vaovao, moto BOXER 150 ary finday marika SAMSUNG J2.

Nahazo loharanom-baovao ny zandary mikasika ireo olona ahiana ho nahavanona ny halatra. Naka fahazoan-dalana tany amin’ny Fitsarana ny zandary hahazoana manao fisavana trano.

Notanterahina ny 3 sy 4 jolay 2021 ny fisamborana sy fisavana, ka olona miisa dimy no voasambotra. Mpangalatra ny efatra ary mpividy halatra ny iray.
Hita tany Ambilobe ilay moto BOXER 150, tao Antsiranana ihany saingy efa voaravarava kosa ilay BAJAJ.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.