Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika : Iza moa ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin ?

  • lundi, 21 juin 2021 15:27
  • Loharanom-baovao : Fiarovam-pirenena

Ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin no Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika vaovao.

Nianatra tao amin’ny Sekoly Miaramilam-Pirenena tao Fianarantsoa izy, ary nahazo ny diploma bakalorea Teknika ny taona 1985.

Ny taona 1986 no niditra ho andiany faha-17 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny tenany, ary nivoaka ny taona 1989, ka tao amin’ny « Bataillon de sécurité de la Primature » no niasany voalohany teo amin’ny toeran’ny Lehiben’ny Holafy.

Nitazona andraikitra maro teo anivon’ny Tafika ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin, ary manana mari-pahaizana maro momba ny Tafika ihany koa.

Efa Kaomandin’ny Sekolin’ny Manamboninahitra Lefitra na ENSOA Antsirabe izy ny taona 2012, taorian’izay dia nitazona ny andraikitra « Directeur des Ecoles et Formations Militaires » teo anivon’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika izy tamin’ny 2015.

« Coordonnateur Général des projets » teto anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena no andraikiny farany mialohan’izy lasa Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.