Namontana – Antananarivo IV : Voasakan'ny Polisy ireo andian-jiolahy nikasa hanafika « cash-point »

  • mercredi, 04 novembre 2020 21:32
  • Sary : Polisim-pirenena

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahefatra ireo andian-jiolahy saika hanao fanafihana teny Namontana, Boriborintany fahaefatra Antananarivo Renivohitra.

Efa-dahy niaraka tamin'ny basy miisa 02 nisy bala no tra-tehaka voalohany, fa tafatsoaka nandritra ny fifanenjehana.

Tra-tehaka teny Ambohibao ny jiolahy 01 tafatsoaka tetsy Namontana. Tetsy Mahamasina ny jiolahy fahaenina. Rehefa nosavaina ny tranon'ity farany dia nahitana basy mahery vaika "fusil d'assaut Ak 47 " sy « boite chargeur » miisa 06 tao aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.