Ampandriakilandy - Antsohihy: Ramatoa hody avy any an-tsaha maty nisy namira famaky ary tapa-tanana

  • mardi, 23 juin 2020 21:14
  • Sary: ZP

Renim-pianakaviana iray, 48 taona, no hitan’ny olona nitsirara tao amin'ny toerana atao hoe Andapihely Kaominina Ampandriakilandy, Distrika Antsohihy ny alatsinainy 22 jona 2020 tokony ho tamin'ny 06 ora hariva.

Nidina nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny Ben'ny tanàna sy ireo Zandary ao amin'ny « Poste Fixe » Ampandriakilandy miaraka amin'ny dokotera ao an-toerana. Mbola niaina ilay ramatoa, saingy teny an-dalana hamonjy ny tobim-pitsaboana dia tsy tana intsony ny ainy.

Nahitana dian-kapoka sy fira famaky teny amin'ny lohany ary tapaka ny tanany havanana.

Manan-janaka roa mianadahy ity renim-pianakaviana ity, izay mpamboly no asany. Avy niasa tanimbary ka teny an-dalana namonjy fodiana izy no niharan'izao herisetra izao.

Mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza ifarimbonan’ny Fokonolona sy ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.