JIRAMA: Mandray andraikitra ho an’ireo mpanjifa niharan’ny fiakaran’ny faktiora voarain’ny mpanjifa

  • mardi, 23 juin 2020 17:02
  • Loharanom-baovao: JIRAMA

Taorian’ny fitarainan’ny mpanjifa maro teto Antananarivo momba ny fiakaran’ny faktiora dia niroso tamin’ny fanadihadiana ny JIRAMA. Hita tamin’izany fa nisy tokoa ny hadisoana teo amin’ny index ary ny ankamaroan’ireo hadisoana dia niniana natao.

Efa nanao ary manohy hatrany ny ezaka amin’ny fifandraisana an-tsoratra na an-tarobia amin’ireo mpanjifa voakasik’ireo fahadisoana ireo ny JIRAMA. Izany fifandraisana izany no hahazoana mandalina ny olana eo amin’ny faktiora sy manao ny fanitsiana izay tokony hatao. Mpanjifa maro no efa nantsoina sy nanatona ny JIRAMA ary efa nahitana vahaolana avokoa.

Mpiasan’ny JIRAMA 50 hatreto no heverina fa voarohirohy ao anatin’izao toe-javatra izao. Naka fepetra vonjy maika mahakasika ny 15 amin’ireo 50 ireo ny JIRAMA ka anisan’izany ny Tale miisa roa.

Mba hanohanana izany andraikitra sy fepetra rehetra izany dia hamafisina ihany koa ny fifandraisana sy fifanakalozana amin’ireo fikambanana Mpiaro ny zon’ny mpanjifa hahafahan’ny orinasa mitondra fanazavana amin’ny antsipirihiny sy hijerena miaraka ny fepetra fanampiny hamahana ny olan’ireo mpanjifa niharan’ny fiakaran’ny faktiora ireo.

(Loharanom-baovao: JIRAMA)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.