Nanakorontana sady nanambana basy: Adjidà zandary iray nidoboka eny Antanimora

  • vendredi, 19 juin 2020 22:19

Natolotra ny Fitsarana ny 18 jona 2020 ary dia notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora Antananarivo ny zandary iray milanja galona Adjidà izay nanakorontana sady nanambana basy ireo namany tany ampamitana iraka nanao tantsoroka ireo namany eo amin’ny sakana ara-pahasalamana teo Ambatolaona-Manjakandriana, lalam-pirenena faharoa.

Nentin’ny hamamoana izy ny 10 jona 2020, ka sady nakorontany no nandrahona hitifitra tamin’ny basy teny an-tanany. Nandray andraikitra avy hatrany ireo lehibe mpifehy azy nanokatra fanadihadiana ary nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana.

Natolotra ny Fampanoavana omaly dia ny fitazomana am-ponja vonjimaika no didy savaranonando nivoaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.