Vono olona miaro kolikoly: Ben’ny tanàna iray sy ny lefiny nidoboka am-ponja

  • vendredi, 19 juin 2020 22:17
  • Sary: ZP

Voarohirohy ho mpiray petsapetsa tamin’ny fanafihana mitam-basy fiara kamiao mpitety tsena ny 07 may 2020, izay nahafatesana olona, ny Ben’ny tanànan’i Vohimanga, Distrikan’i Bekily sy ny lefiny. Tsy hita nanjavonana izy ireto taorian’ny loza, fihetsika izay nampiahiahy ny havan’ny maty ka nahatonga ireto farany nametraka fitoriana.

Ny tolakandron’ny 15 jona 2020 izy roalahy no voasambotry ny Zandary avy amin’ny kompania Bekily. Noentina tao amin’ny biraon'ny Vondrotobim-pileovana Androy ary natao famotorana avy hatrany. Nosavaina ny kitapo tany amin’izy ireo ary nahatratrarana vola mitentina sivy hetsy sy dimy tapitrisa Ariary (5 900 000 Ariary), izay voalaza fa hoentina hikarakarana ny hivoahan'ireo havany izay efa voatazona any am-ponja noho ity raharaha ity, ka homena izay olona tokony hahafaka azy.

Natolotra ny Fampanoavana ny alarobia 17 Jona 2020 ilay Ben’ny tanàna sy ny lefiny ary dia samy tazomina am-ponja vonjimaika ao Ambovombe Androy taorian’izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.