Antanetibe Mahazaza: Zazalahikely 9 taona matin’ny herinaratra

  • vendredi, 19 juin 2020 19:10
  • Sary nindramina

Main’ny herinaratra ary maty tsy tra-drano ny zazalahikely iray 9 taona. Tao Antsaingona, Fokontany Ambohijatovo, Kaominina Antanetibe Mahazaza, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga no niseho ity loza ity ny 17 jona 2020 teo amin’ny fiandohan’ny tolakandro.

Tariby mitondra herinaratra mahery vaika, nidaraboka tamin’ny tany no nitera-doza. Tsy nisy azo natao nanavotana ilay zaza, na notapahana haingana aza ny herinaratra mandalo amin’ilay tambazotra.

Tonga nanao fizahana ny zava-misy ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Mahazaza niaraka tamin’ny dokotera avy amin’ny CSB-II, ary ny Ben’ny tanàna ao Antanetibe Mahazaza. Taorian’ny fanamarinana dia nalain’ny fianakaviana ny razana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.