Antalaha: Miaramila iray nidoboka am-ponja noho ny kolikoly sy fidorohana rongony

  • jeudi, 04 juin 2020 22:11

Miaramila mpamerikeloka ity nidoboka am-ponja ity. Nandao tsy ankiera ny toeram-piasana izy tamin’ity indray mitoraka ity, ary tany Ambodimangatokana Fokontany Ambodimanga, Kaominina Ambinanifaho, Distrika Antalaha izy no nandeha niaraka tamina olona roa, mpanao trafika rongony.

Nitaky vola 800 000 Ariary tamin’ireo mpanao trafika rongony ilay miaramila rehefa sarona, hanaovana kolikoly handaminana ny raharaha.

Natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha androany izy telo lahy ireo rehefa natao famotorana, ary dia notazomina amponja vonjimaika taorian’izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.