Manakara: Inspekteran’ny « Domaine » nanao amboletra tamin’ny barazy sady naniratsira mpitandro filaminana

  • jeudi, 04 juin 2020 14:19
  • Sary: ZP

Lehilahy iray voalaza fa Inspekteran’ny « Domaine » no nanao hitsin-dalana tamin’ny fiara 4x4 nentiny ny « barrage sanitaire » tao Ambokala sy tao Marofarihy, Distrika Manakara ny alin’ny 2 jona 2020.

Tsy vitan’izay fa mbola naniratsira mpitandro filaminana amperin’asa tamin’ireo sakana ihany koa ity lehilahy ity, ary natsivalany teo amin’ny arabe ary novonoiny ny moteran’ny fiarany rehefa voasakana tsy afa-nanohy ny lalany dia iny izy no lasa.

Tany anaty « bar » no nahitana azy rehefa nokarohina.

Nanokatra fanadihadiana momba azy ny Zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.