Andry Rajoelina: Nanome toromarika hentitra mba hanafainganana ny famonjena ireo traboina

  • samedi, 25 janvier 2020 09:36
  • Sary nomena

Nidina tao amin’ny Distrikan’i Maevatanana sy Mitsinjo ary ny Kaominin’i Mahajamba ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny zoma 24 janoary, namonjy aina sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny andro ratsy nitondra orambe, izay niteraka fahavoazana sy voina maro tamin'ny faritra maro teto amin’ny Nosy.

Nanome toromarika hentitra ny tenany mba hanafainganana ny famonjena ireo traboina rehetra, ary hetsehina avokoa ireo sambo kely haingam-pandeha sy angidimby afaka mandeha mamonjy ireo mpiray tanindrazana.

Namangy ny fianakavian'ireo lasan'ny rano sy namoy ny ainy, izay miisa 23 tao Mitsinjo, ny Filoham-pirenena.

Nanome toromarika ny filoha fa aorian'ny fidinan'ny rano dia homena masomboly ary hampiana avokoa ireo tantsaha amin'ny famokarana sy fiompiana, ary hampiana ny traboina rehetra amin'ny fanorenana sy ny fanarenana indray ny toeram-ponenan'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.