Andapa: Lehilahy mamo nahiana ho mpamaky trano saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

  • mardi, 12 novembre 2019 20:13

Handeha hividy sigara ao amin'ny mpivarotra iray efa mihidy tao amin’ny Fokontany Antangena, Kaominina ambonivohitra Andapa ity rangahy ity omaly. Nododominy ilay trano fivarotana ka noheverin'ny olona fa hamaky trano izy dia nosamborin'izy ireo, ary saika niharan'ny fitsaram-bahoaka.

Zandary nanao fisafoana no nanavotra azy. Nandritra izany no nahitana fa mamo io olona io. Nentina tao amin’ny brigadin’ny Zandary Andapa ilay rangahy natao famotorana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.