Ikatelo- Ambatofinandrahana: Nisy nandoro ny EPP, mihahaka ny mpianatra 200 mahery

  • jeudi, 31 octobre 2019 11:29
  • Sary nindramina

May kila hotohoto nisy nandoro ny harivan’ny alatsinainy 28 oktobra teo ny EPP ao Ikatelo, ZAP Soavina, Cisco Ambatofinandrahana. Rindrina sisa mijoro, fa lasa lavenona avokoa ny fanaka sy ny kojakojam-pianarana tao.

Trano misy efitrano efatra, izay ezaka madiodion’ny Fokonolona ny nanangana azy folo taona lasa, ity potika ity. Roanjato mahery ny ankizy tsy afaka mianatra noho ity voina ity. Baraingo any amin’ireo mpampianatra FRAM miisa fito nisahana azy ireo manoloana izao zava-mitranga izao.

Fotoam-pambolena izao aty amin’ny Faritra Amoron’i Mania, sahirana ny tantsaha ka miantso vonjy amin’ny Fanjakana hanarenana ny foto-drafitrasa sy ny fampitaovana ary handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.