Tana Masoandro: Mangataka hihaona amin’ny Filoham-pirenena ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa

  • mardi, 29 octobre 2019 22:05
  • Sary Sénat

Tonga tetsy amin’ny lapan’Anosikely androany ny solotenan’ny vahoaka avy amin’ireo Kaominina voakasika amin’ny tetikasa Tana Masoandro, nihaona tamin’ireo Loholona, ho tohin’ny fankan-kevitra efa nataon’ireo Loholona teny Ambohitrimanjaka ny alatsinainy 21 oktobra 2019.

Mangataka ny hihaona mivantana amin’ny Filoham-pirenena izy ireo, satria tsy ahitambaha-olana ny fihaonana tamin’ireo solotena izay nalefan’ny Fiadidiana ny Repoblika, sy ny taratasy izay nalefan’ny mponina amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nangataka ireto loholona ireto ny solontenan’ny mponina mba hitady ny vahaolana sy hitondra ny feon’izy ireo any amin’ny Filoham-pirenena.

Nambaran’ny Filoha Rivo Rakotovao fa hiezaka ny Antenimierandoholona hifampiresaka amin’ny Filoham-pirenena manoloana izao toe-javatra izao, saingy nantitranteriny fa ny antompisian’ny mpitondra fanjakana dia ny hampandroso ny firenena ka mila fifampiresahana sy fandinihina lalina ny toe-draharaha tahaka itony. Notsidriany ihany koa, tsy ilaina ny korontana sy ny herisetra fa ao anatin’ny fitoniana tanteraka no tokony hamahana ny olana, satria tsy misy mahazo tombony amin’ny korontana.

Mikasika ity raharaha Tana-Masoandro ity dia nisy ny fivoriana tao amin’ny CFM Ampefiloha, ny zoma 18 oktobra 2019, niarahan’ireo filohan’ny andrimpanjakana efatra, dia Rakotovao Rivo (Antenimierandoholona), Maka Alphonse (CFM), Navony Pierre Lenoble (HCDDED) ary Rabenoro Irène (CNIDH).

Nanao fanambarana iraisana izy ireo taorian’izany, miantso fitoniana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Miantso ny tomponandraiki-panjakana ihany koa izy ireo hampiato ny fanombohan’ny asa, ary miantso ny vahoaka hampiato ny fihetsiketsehana ka hifanantona. Mahita ihany koa ireto filohan’ny andrimpanjakana ireto fa tsy ampy ny serasera manodidina ny fanatanterahana ny tetikasa eny Ambohitrimanjaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.