Vono olona tao Amborompotsy: Zandary fito lahy nampidirina am-ponja vonjimaika

  • lundi, 21 octobre 2019 22:29

Natolotra ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, androany alatsinainy 21 oktobra 2019, ireo zandary fito lahy, voarohirohy tamina vono olona narahina herisetra, fanapahan-doha sy fitifirana tamin’ny basy, nitranga tany amin’ny Kaominina Amborompotsy, Distrikan’Ambatofinandrahana tamin’ny volana oktobra 2018, izay nahafatesana olona efatra.

Nilatsaka ny didy savaranonando taorian’ny fihainoana azy ireo, ka tazomina amponja vonjimaika ao Tsiafahy ny efatra, ary eny amin’ny fonjan’Antanimora ny telo.

Ao anatin'ny fanadiovana sy fametrahana ny asa matihanina eo anivon'ny Zandarimaria, no nanomezan'ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, alalana ampanenjika ireto Zandary ireto.

Ary tolorana valisoa sy fankaherezana kosa ireo manao ny ainy tsy ho zavatra hiarovana ny mpiray tanindrazana sy ny fananany, lavitry ny kolikoly.
Misy ary mitohy hatrany ny ezaka fampitaovana ireo Zandary, sy fanomezana azy ireo fiofanana mba aha matihanina hatrany azy ireo eo ampanatanterahina ny asa ankinina amin'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.