Zandary voadaroka teny Ambohitrimanjaka: Mbola miady amin’ny fahafatesana ny iray, tsaboina ao amin'ny HJRA

  • lundi, 21 octobre 2019 21:48
  • Sary Zandarimariam-pirenena

Tonga tao amin'ny HJRA Ampefiloha, nitsidika ilay Zandary naratra nandritra savorovoro nitranga teny Ambohitrimanjaka ny harivan’ny alakamisy 17 oktobra 2019, ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay notarihan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, sy ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka, Komandin’ny Zandarimaria, sy ireo mpiara-miasa, ny marainan’ity alatsinainy 21 oktobra 2019 ity.

Nomena ny « Prime de bravoure” sy ny fanondrotana galona manokana ilay zandary naratra, ary hiantohan’ny Fanjakana avokoa ny lany rehetra amin’ny fitsaboana azy. Ankoatr’ireo dia notolorana fankasitrahana ihany koa ireo zandary miisa 05 naratra niaraka tamin’ity tena voa mafy ity, ka notontosaina tetsy Betongolo ny fanolorana azy ireo izany androany atoandro.

Nahatratra 49 ny taratasy fankasitrahana efa nozaraina teo anelanelan’ny volana febroary 2019 hatramin’izao volana oktobra 2019 izao, raha 23 kosa no an-dalana hizarana azy. Nahatratra 80 ireo nomena “prime de bravoure” ary 11 nomena ny « bonification en ancienneté de grade ». Zandary roa kosa no nomena «avancement exceptionnel». Ireo miasa mafy sy manome vokatra tsara any Ambanivohitra feno asan-jiolahy sy asan-dahalo moa no tena maro amin'izany.

Nanambara ireto tompon'andraikitra ambony ireto fa tsy hiverin-dalana amin’ny ezaka efa natao ny Zandarimaria ka tsy maintsy hankaherezina ireo olony mba hahatontosana ny asa sy ny andraikitra sahaniny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.