Bakalôrea 2019: 58,31% an’i Fianarantsoa no taham-pahafahana fanadinana ambony indrindra

  • dimanche, 20 octobre 2019 21:47

42,75% ny taham-pahafahana fanadinana bakalôrea namarana iny taom-pianarana 2018-2019 nanerana an’i Madagasikara. Ny faritanin’i Fianarantsoa no ambony indrindra ny taham-pahafahana 58,31%, nanaraka azy ny faritanin’i Toliara (47,42%), fahatelo nanana taham-pahafahana ambony ny faritanin’Antananarivo (40,56%), arahin’ny faritanin’i Mahajanga (38,57%) sy Antsiranana (37,93%). Ny faritanin’i Toamasina kosa no nanana taham-pahafahana bakalôrea ambany indrindra 33,74%.

Manana safidy ireo mpiadina rehetra tsy afaka tamin’ny bakalorea ankapobeny andiany voalohany, na hiatrika na tsia ny « deuxième session exceptionnelle », hanomboka ny alarobia 23 oktobra ka hatramin’ny 26 oktobra 2019. Averina avokoa ireo taranja rehetra ankoatra ny taranja ara-panatanjahantena, hoy ny fanamafisana nataon’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Tsy misy taratasy fiantsoana vaovao fa ny teo aloha ihany no hampiasaina amin’ity « deuxième session exceptionnelle » ity, ary tsy hiova ny ivon-toeram-panadinana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.