Mahajanga: Tovolahy 21 taona maty dobo an-drano teo amin'ny « Village Touristique »

  • dimanche, 20 octobre 2019 19:34

Tovolahy iray avy ao Antananarivo tonga teo Mahajanga, isan’ireo mpizaika namonjy lasy « Mega Camporee » an'ny Fiangonana Advantista teto an-drenivohitry ny Faritra Boeny, nanomboka tamin'ny alatsinainy 14 oktobra 2019 lasa teo ary nifarana omaly sabotsy 19 oktobra 2019.

Androany alahady 20 oktobra 2019, tolakandro tamin'ny 2 ora sy sasany, no nisehoan'ny loza. Nandeha nitsangatsangana sy hividy voandalana satria tokony hiainga tamin'ny 5 ora hariva teo. Efa nahalala mialoha ry zareo hoe tsy tokony hisehana eo amin'ny « Village Touristique » rehefa tolaka ny andro, saingy nanontany olona indray raha ny fitantaran'ny namany niara-nilomano taminy ary nilaza ireto farany fa tsy mampaninona akory ny milomano eo ka dia resy lahatra izy ireo.

Niakatra tampoka anefa ny ranomasina teo amin'ny faritra nilomanosany raha ny fanazavana hatrany ka izay no nahavoa azy. Mbola tafakatra tety an-tanety, saingy teny an-dalana hamonjy hopitaly no tsy tana ny ainy.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.