JR Métaux Ampangabe: Nisy ny inspection de travail nidina teny ifotony

  • vendredi, 18 octobre 2019 16:54
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Rehefa nandalo teny ny solotena avy tao amin'ny CNAPS, izay nahatratra zaza tsy ampy taona miasa ao amin'ity orinasa mpandrendrika vy eny Ampangabe Analamanga ity, dia tamin'ity herin'andro ity indray no nidina teny an-toerana ry zareo ao amin'ny inspection du travail.

Hatreto moa tsy mbola fantatra ny vokatry ny fidinana teny an-toerana, na dia hita sy mampiahiahy aza ny mahita ireto mpiasa aman-jatony tsy misy fiarovana ara-tsosialy, tsy misy contrat de travail fa miasa tselika mandray karama isan'andro, nefa mpiasa efa miasa aman-taonany maro.

Tsy hita ihany koa hatreto ny fanadihadiana momba ireto mpiasa vahiny amanjatony latsaka, ka ny atsasany dia teraka ny 1 janoary avokoa, manana taratasy ara-dalàna ve izy ireo, ary indrindra, manaja ny andininy faha 43 ny lalanan'ny asa ve, izay mametraka fa tsy maintsy manana Visa de travail, izay voamarin'ny ministeran'ny asa sy ny inspection de travail, izay vao mahazo miasa eto Madagasikara.

Hita ihany koa ramatoa H... miasa ao amin'ny ministeran'ny ati-tany manenjika mamita ny passeport n'ireto vahiny maro be ireto. Nefa ny visa tourisme tsy azo avadika ho visa de travail mihitsy, fa tsy maintsy miainga visa de travail avy any aminy izy raha hiasa eto Madagasikara, fa tsy hoe miditra eto aloha vao mikarakara visa.

Ry zareo ao amin'ny ONE, sampan-draharaha miaro ny tontolo iainana, moa dia manao masobe tsy mahita ny loto sy ny setroka feno taim-by miparitaka eny an-toerana fa dia samy mangina avokoa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.