Faritra SAVA: Amperinasa ny Governora Tokely Justin

  • vendredi, 18 octobre 2019 12:59
  • Sary Gasypatriote Sambava

« Tena isika izao tokoa no hanomboka ny tantara vaovao mahakasika ny fampandrosoana ny Faritra SAVA », io no nanombohan'ny Governoran’ny Faritra SAVA, Tokely Justin, ny lahateniny nandritra ny lanonana nametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy, handraisany ny asany ny 17 oktobra 2019 teto Sambava.

Nozarainy telo lehibe ireo laharam-pahamena hitany ho entina mampandroso ny Faritra, dia ny ady amin'ny kolikoly satria « efa lasa fomba ratsy iainana, indrindra ho an'ireo mpitondra fanjakana voatendry hiasa aty amin'ny faritra » hoy izy ka « tsy ho ekena intsony izany manomboka izao, ary hatsangana eto amin'ny renivohi-paritra ny sampan’ny Bianco ».

Laharam-pahamena faharoa ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana, izay vao miroso eo amin'ny fanaovana foto-drafitr'asa maro samihafa toy ny fanamboara-dalana.

Tonga nametraka ny Governoran’ny Faritra SAVA, Tokely Justin, tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana Razafimahefa Tianarivelo, notronin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena voafidy tao Antsiranana Jocelyne Rahelihanta, ny solombavam-bahoaka voafidy teto Sambava Mamangy Norbert Alias Jack, ireo olom-boafidy sy solontenam-panjaka ary solontenan’ny mponina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.