Belgrade – Serbie: Ambohimpihaonan’ny Parlemantera manerantany

  • mercredi, 16 octobre 2019 21:43
  • Sary nindramina

Natao tao Belgrade renivohitr’i Serbie ny 13 ka hatramin’ny 17 oktobra 2019 teo ny fihaonambe faha-141 ny Fivondronan’ny Parlemantera manerantany. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny solombavam-bahoaka isany:

Rabenirina Jean Jacques, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady nitarika ny delegasiona ; Rafenomantsoa Tsirimaharo Ny Aina, mpampakateny ankapobeny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena; Raharimampionona (Ikalamavony) ; Rasolomanana Beby Olivier (Mandritsara) ; Bernando Germain Berton Ndrianasy (Nosibe An’Ala) ary Randriamahafanjary Calvin, Sekretera jeneralin’ny Antenimieram-pirenena.

Ny alarobia 15 oktobra ny solontena Malagasy no nandray fitenenana tamin’ny alalan-dRabenirina Jean Jacques.

Manodidina ny 1 700 ireo Parlemantera sy avy amin’ny fiarahamonim-pirenena tonga ao Belgrade tamin’ity fivoriambe ity izay niresahana indrindra ny lalàna iraisam-pirenena, ny asa aman’andraikitry ny Parlemantera ary ny fiaraha-miasam-paritra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.