Vavatenina: Sarona ny vola sandoka 20 tapitrisa Ariary

  • mercredi, 16 octobre 2019 21:23
  • Sary nindramina

Fanomezam-baovao avy amin’ny olontsotra tonga teo anivon’ny Zandary tao Fenoarivo Atsinanana, fa misy olona mitondra vola sandoka 400 tapitrisa Ariary ho any Vavatenina

Nanao sakana-fitsirihana avy hatrany ny Zandary ka tratra tao Vavatenina, ny 15 oktobra 2019, ny fiara 4x4 pickup Ford Ranger iray izay nitondra vola sandoka 20 tapitrisa Ariary sy vola tena izy 80 tapitrisa Ariary.

Olona miisa dimy no efa voasambotra. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary manodidina ity raharaha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.