Trangam-piarahamonina: Tovolahy, 30 taona, nitsoaka niaraka tamin'ny 20 tapitrisa Ariary avy nangalariny

  • mercredi, 16 octobre 2019 10:47

Roa herinandro izao no nitsoaka niaraka tamin'ny vola halatra io tovolahy io. Voatery nosamborin'ny mpitandro filaminanana ny Rainy ary natolotra ny Fitsarana tany Antalaha.

Nahazo fahafahana vonjimaika io rainy io miandry ny fitsarana azy amin'ny 07 novambra 2019 taorian'ny fanaovana raharaham-pihavanana izay nanekeny tsy fidiny hizaka ny heloka nataon'ny zanany. Natao antoka ny trano fonenany sy tokontany mandrampahita ny vola 20 tapitrisa Ariary hanonerana ny volan'olona.

Tranga niseho teto Andranomatsiko Fokontany Antanifotsy 2, Kaominina ambonivohitr'i Sambava.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.