Andramahavola – Ambohidrapeto: Telo herinandro izao no mijaly rano ny mponina

  • lundi, 14 octobre 2019 15:26

Velon-taraina, ny mponina amin’iny faritra Andramahavola Kaominina Ambohidrapeto, Distrika Antananarivo Atsimondrano iny, fa efa mananika ny telo herinandro izao no tsy mandeha ny rano, raha toa ka mba nandeha ihany teo aloha, manomboka amin’ny misasak’alina hatramin’ny efatra ora maraina.

Tena ifanotofana ny fakana rano amin’ireo manana lavadrano, vidiana mazava loatra. Mijaly ireo fianakaviana mitaiza kely manoloana izany, ka miantso vonjy mba hamahana haingana izao olana izao. Ny mpianatra efa miditra, ny vanimpotoana maintany ihany koa mitsidika ka mampitombo ny filàna rano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.