Ankaboka - Sakaraha: Avotra ireo mpianaka takalon'aina, dahalo roa azo sambo-belona

  • dimanche, 13 octobre 2019 17:57
  • Sary nindramina

Roalahy, mpianaka, nitondra sarety haka kitay tao analan'Ankaboka no notafihin'ny dahalo efatra nitondra basy telo ny marainan’ity alahady 13 oktobra 2019 ity. Nalain'ireo dahalo ny ombin-tsarety roa ary nataony takalon'aina izy mianaka.

Roso avy hatrany sady nanaradia no niantso vonjy tamin'ny Zandary ny Fokonolona vantany vao naheno izany. Sendra ny Zandary notarihin'ny komandin'ny tobi-paritry ny Zandarimaria Sakaraha nanao fisafoana teny Andranomaintso Sakaraha amin'ny RN7 izy ireo.

Nisy ny fifandonana teo Antatao raha tonga dia nitifitra ireo dahalo. Maty voatifitr’ireto farany ny iray tamin’ireo mpanaradia, izay zaodahin'ny tompon'omby. Votsotra ireo takalon'aina sy ny omby. Nitsoaka nanavotr’aina ireo dahalo ka vaky nandositra ary nizara roa ny lalana. Ny roa niverina any anaty ala ary ny roa nahazo tampon-tanety mazava. Ireto farany no nenjehin'ireo Zandary ka azo sambo-belona niaraka amin'ny basim-borona iray.

Naterina ao amin'ny Brigady ireo efa voasambotra, mitohy kosa ny savahao hikarohana ireo dahalo roa tafatsoaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.