Ambatofitorahana – Ambositra: Basy vita gasy roa saron’ny Zandary

  • samedi, 12 octobre 2019 19:25
  • Sary nomena

Nahazo fanomezam-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny Zandary fa misy olona mitazona basy mampiahiahy ao Miadrifaikona, Kaominina Ambatofitorahana, Distrika Ambositra. Nidina tao an-toerana avy hatrany ny Zandary avy amin’ny kaompania Ambositra.

Vao nahatazana ireo Zandary ilay olona voatondro fa mitazona basy dia nitsoaka any anaty ala. Nanao fisavana ny tranony ny Zandary ka tamin’izay no nahitana basy roa vita gasy. Nogiazana avy hatrany ireo fitaovam-piadiana ireo. Nanokatra fanadihadiana ny Zandary, mitohy ihany koa ny fikarohana ilay tompon’ny basy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.