Tetikasa Tana Masoandro: Tonga ny iraky ny fanjakana, notsenain’ny mponin’Anosibe Zaivola sorabaventy

  • vendredi, 11 octobre 2019 19:16
  • Sary nindramina

Nidina teny Anosibe Zaivola, Boriborintany Faha-6 Ambohimanarina, Antananarivo Renivohitra androany ny mpikambana roa ao amin’ny governemanta, nahitana ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny Asa vaventy Andrianainarivelo Hajo sy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy, teo koa ny Tale jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe.

Nijery ny toerana ho voakasiky ny tapany voalohany fanombohana ny tetikasa Tana Masoandro izy ireo, sady nanome toromarika ireo teknisiana. Nijery ihany koa ny toerana heverina hametrahana tetezana vonjy maika (pont Bailey) hivezivezen'ny fiara vaventy hanao ny asa fanotorana.

Nisy fotoana fohy nifampiresahan’ireo iraky ny fanjakana manodidina ny tetikasa Tana Masoandro tamin’ny mponina teny an-toerana, nisy tamin'ireto farany no nametraka sorabaventy ho fanoherana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.