Jeneraly Rakotonirina Richard: « Tsy hisy famindram-po mihitsy amin'ny asan-dahalo »

  • vendredi, 11 octobre 2019 14:08
  • Sary nindramina

Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana, sivily sy miaramila teto Fianarantsoa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard.

Hentitra ny teniny fa « tsy hisy famindram-po mihitsy amin'ny asan-dahalo ». Tsy mendrika ny hiaina ao anatin’ny tahotra intsony ny vahoaka Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasan’ny rehetra ny tenany, ary nanamafy fa ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay no ahafahana manafoana ny asan-dahalo.

Nihaona tamin’ireo mpitandro filaminana tao amin’ny trano fivorian’ny SEMIPI ny Minisitra, ka nampahery azy ireo amin’ny ady izay hatrehana. Toromarika nomeny ny tsy maintsy handresena ny tsy fandriampahalemana ka tsy hikoso-maso mena eo anatrehan’ireo dahalo ambony latabatra sy ireo dahalo an-tanety, mba hiadanan’ny vahoaka izay efa ela nijaliana tao anaty tahotra sy horohoro.

Efa eto an-toerana rahateo ireo miaramila sy ny fitaovana harifomba hiadiana amin'ny dahalo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.