Sambava: Prefen’i Sambava mampiasa fitaovan'ny BNGRC ho amin’ny tombotsoany ?

  • vendredi, 11 octobre 2019 09:22
  • Sary Gasypatriote Sambava

Miteraka resa-be ato amin'ny Faritra SAVA ny mahita ireo fitaovan'ny BNGRC manao asa maro samihafa ka misy voatonona ho ao ambadik’izany ny Prefen’i Sambava.

Nitondra fanazavana izy tenany, Rabenandriamanitra Louis Sabatin, Prefen’i Sambava fa tsy mitombina izany fanakianana azy izany.

Ny alakamisy 10 oktobra 2019 ihany dia nampijery ifotony ny asa izay ataon'ireo fitaovan'ny BNGRC ireo izy, sady namela malalaka ny hanaovana fanadihadina amin'izany.

Miasa tokoa ireo fiara vaventin’ny BNGRC, ary raha ny hita dia manamboatra ny lalana mampitohy an’Ambolimadinika Kaominina Nosiariana amin'ny Kaominina Ambohimitsinjo. « Efa ho herinandro izao no nanaovana ny asa fa tsy lavina kosa », hoy Rabenandriamanitra Louis Sabatin, Prefen’i Sambava fa « misy fandraisana an-tanana kely takina amin'ireo mpahazo tombotsoa toy ny solika hampihodinana azy ireto ».

Nambarany fa efa nisy ny fanarenana ny lalana avy ao Nosiarina mampitohy ny Kaominina Bemanevika talohan’io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.