Vaovao

    • mardi, 19 octobre 2021 07:11

    Raharaha Danil RADJAN : Manahy mafy amin’ny fiandanian’ny fitsarana ny fianakavian’ireo olona voampanga

    Tsy matoky ny Fitsarana intsony ny fianakavian’ireo voampanga amin’ny raharaha Danil RADJAN tao aorian’ny fandravana didy navoakan’ny Fitsarana tampony ny 24 Septambra 2021 teo. Nambaran’izy ireo fa voazimbazimba hatrany ny zon’ny voampanga satria dia efa nandeha teo ny vono mba ahazoana fieken-keloka tany am-piandohan’ny raharaha, ny fanosoram-potaka isan’andro amin’ny haino aman-jery sy ny famoahana vaovao mitanila sy manameloka sahady, fa indrindra ny tsindry atao amin’ny Fitsarana. Nanaitra ny maro misehatra ao amin’ny tontolon’ny Fitsarana tokoa mantsy ny sori-dalàna maro napetrak’ity raharaha ity. Raha tsiahivina ny toe-draraha, dia nisy famonoana teratany karana iray, Danil RADJAN, ny volana septambra 2020. Raha vaovao sy resabe nanintona no fahitan’ny be sy ny maro ny toe-draharaha dia fandikan-dalàna sesilany no fahitan’ny mpahay lalàna azy, satria hoy izy ireo tsy fanajana ny “présomption d’innocence” ny familiviliana ny saim-bahoaka natao tamin’ny fanamelohana maro samihafa tamin’ny haino aman-jery, sy tambazotra, ary ny fiparitahan’ireo tsiambaratelo marobe, vidéo sy fitanana an-tsoratra, dia tsy fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana (secret de l’instruction).
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 octobre 2021 20:07
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana : Fanamboaran-dalana amin'ny alalan'ireo engins avy amin'ny filohampirenena

    Nataon'ny Goverinora RAFIDISON Richard laharam-pahamehana ny fanatsarana ireo lalana mampitohy ny toeram-pizahantany. Vita tanteraka ny lalana mampitohy ny RN2 amin'ny tanànan'ny Manambato, ka vokatr'izany dia hisitraka tosika sy tantsoroka avy amin'ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny Faritra Atsinanana ireo mpandraharaha ara-pizahantany any an-toerana, ka ho hisy amin'io "vacances de Toussaint " ho avy io ny tolotra fihenambidy ahafahana miala sasatra sady mijery ny hakanton'ny Canal de Pangalanes, lac Rasoabe, lac Rasoamasahy, ary ny ao amin'ny Akanin'ny nofy. Vita latsaky ny 30 minitra ny lalana amin'izao raha adiny iray sy sasany teo aloha ny lalam-pirenena faharoa mihazo ny village touristique MANAMBATO (Canal des Pangalanes, lac Rasoabe, lac Rasoamasahy, Akanin'ny nofy).  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 octobre 2021 08:12
    • Sary nindramina

    Mpiasa mpamono valala : Sady tsy misitraka tambinkarama no mbola mahazo fandrahonana

    Velon-taraina ireo mpiasa mpamono valala eto Madagasikara, saika manerana ny Nosy, fa nanomboka tamin'ny 2019 ka hatramin'izao, hoy izy ireo, tsy mba nisitraka tambinkarama na dia efa mihatra aman’aina aza ny asa. Valinteny an’avona toy ny hoe : “alaivo any amin'ny mpintantana teo aloha” no azon’ny mpiasa avy amin’ny mpitantana raha mba mangata-panazavana ny amin’ny zon’izy ireo hisitraka tambinkarama io, ary miampy fandrahonana sy sazy izay efa mihatra amin'ny mpiasa sasantsasany amin'izao fotoana izao . Nivoitra tamin’ny tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 13 oktobra 2021 teo fa mivoatra miharatsy ny fisian’ny andiam-balala eto Madagasikara ary ahiana hirongatra mihitsy aza satria manampy trotraka ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahazo ny any amin’ny faritra Atsimo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 20:07
    • Sary nindramina

    RN44 Amboasary – Vohidiala : Misy fahatarana ny asa fanamboarana

    Mandeha ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 (Amboasary - Vohidiala) saingy miaiky ny rehetra fa misy ny fahatarana. Nidina nijery ny fizotry ny asa tany an-toerana ny Minisitry ny Asa vaventy Hatrefindrazana Jerry sy ny Tale jeneraly misahana ny tetikasan'ny Filoham-pirenena Augustin Andriamananoro sy ireo mpiara-miasa aminy, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny alahady 17 oktobra 2021. Nanome toromarika ny Minisitra fa tokony ho vitaina araka ny fenitra sy ny kalitao ao anatin'ny fotoana voasoratra ao amin'ny bokin'andraikitra ny asa. Nanome toromarika ny orinasa manao ny lalana ny tenany mba hanampy ireo fitaovana ampiasaina hitsinjovana ireo mpampiasa lalana amin’ny fahavaratra.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 16:21
    • Sary nindramina

    Antalaha :Oratsimba miisa 37 no sarona ary nogiazana

    Oratsimba (langoustes) miisa 37 no sarona ary nogiazana tao Anjiamangotroka Kaominina ambonivohitra Antalaha ny 14 Oktobra 2021. Fiaraha-miasan’ny sampandraharaham-paritry ny jono sy ny toekarena manga ao SAVA sy Polisim-pirenena any Antalaha no nahazoana ny vokatra. Mbola mikatona ny fanjonoana oratsimba ao anatin’ny Faritra SAVA ny 01 Oktobra ka hatramin'ny 31 Desambra 2021. Nomena ny fikambanana KALA sy Orchidée mitaiza zaza sembana sy sahirana ao Antalaha ireo oratsimba taorian’izay. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 12:53

    Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Olana tsy mitsaha-mitombo eto Madagasikara

    Olana tsy mitsaha-mitombo eto Madagasikara ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary sy ny kolikoly mifandraika amin'izany. Araka ny filazan'ny TRAFFIC dia sokatra maherin'ny 21 000 no tratra teto Madagasikara mandritra ny fikasana hanondrana an-tsokosoko, teo anelanelan'ny taona 2018 sy 2021. Misy ankehitriny ny tetikasa vaovao maharitra telo taona mitentina 3,4 tapitrisa dolara izay natomboky ny governemanta amerikana amin’ny alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), sy amin'ny anaran'ny vahoaka amerikana, ny 15 oktobra, hamahana ireo olana tsy mitsaha-mitombo eo amin'ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary sy ny kolikoly mifandraika amin'izany. Ny World Wildlife Fund (WWF) no lohalaharana mitarika ny tetikasan’ny governemanta amerikana Counter Corruption and Wildlife Trafficking (Ady amin’ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary ) izay vatsian’ny USAID vola, ary ahitana mpiara-miombona antoka maro toy TRAFFIC International, Transparency International Initiative Madagascar, ary Alliance Voahary Gasy. Hiara-miasa akaiky amin'ny Ministeran'ny Fitsarana sy ny Ministeran'ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana lovainjafy ny tetikasa.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 12:44
    • Sary nindramina

    Analamanga Park : Nisokatra indray rehefa nikatona aman-taonany

    Nasiam-panitarana sy nohavaozin'ny Faritra Analamanga tanteraka ity toeram-pitsangatsanganana ity, izay efa nikatona mihitsy teo aloha. Maro ny foto-drafitrasa vaovao natsangana sy fialam-boly azo tanterahina ao an-toerana. Anisan'izany ny kianja fanaovana fampisehoana, ny toeram-pisakafoana, ny efitra fandraisam-bahiny, ny kianja filalaovana baolina kitra, ny basket ary ny volley-ball, ny tokontany filalaovana tsipy kanetibe, ny dobo filomanosana. Misy ihany koa ny toeram-pivarotana vokatra sy entana voafantina ary ny kilalao ho an'ny ankizy. Niverina nisokatra ny sabotsy 16 oktobra 2021 ny Analamanga Park, ho tosika amin'ny fizahantany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 octobre 2021 20:17
    • Sary nindramina

    Habakabaka : Nanainga ny sambondanitra sinoa Shenzhou-13, niaraka amina mpanamory 3

    Niainga ny sabotsy alina tamin'ny 00ora23min (zoma 16ora23 GMT), 16 oktobra 2021, tany Gobi, avaratra andrefan'i Sina, ny sambondanitra Shenzhou-13, natosiky ny fusée Longue-Marche 2F, nitondra mpanamory telo mianadahy, hiazo an'i Tianhe («Harmonie céleste »), singa voalohany tsy nisy olona amin'ny sambondanitra Tiangong («Palais céleste ») vao ahorina, nalefa tamin'ny volana mey teo. Vao ny module voalohany, efa miodina manaraka ny tany eny amin'ny 350-400km i Tianhe. Misy module 3 izy rehefa vita, ka ireto mpanamory 3 ireto no hisantatra ny fipetrahana maharitra 6 volana ato amin'ity module voalohany ity, raha naharitra 03 volana ny an'ireo mpanamory nandeha ny volana septambra lasa teo, niaraka tamin'ny Shenzhou-12. Hanohy ny fanomanana ny fanamboarana ity sambondanitra lehibe ity izy 3 mianadahy ireto. Anisan'ny fanamby amin'ity dia eny ambony ity, ny fijanonana ela eny ambony eny, satria noho ny tsy fisian'ny sinton'ny tany, dia mihamalemy aingana be ny taolan'olombelona, ary miazakazaka ny fahanteran'ny taova rehetra. Hisy ny fivoahana indroa na in-telo ny sambondanitra.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 octobre 2021 10:41

    Malagasy any Chine : Maniry hody an-tanindrazana ka miantso vonjy

    Miantso vonjy ireo teratany Malagasy any Chine izay maniry hody an-tanindrazana. Manodidina ny 70 eo izy ireo, tsy maintsy mody noho ny antony samihafa. Nahavita fianarana efa amam-bolana maro fa noho ny fikatonan’ny sisintany malagasy dia tsy afaka nody. Efa lany tamin’ny fahavitan’ny fianarana anefa ny “visa”. Misy mpiasa tapitra “contrat” ary lany “visa” ihany koa. Ao no nihevitra fa hiala sasatra fotoana fohy no nandehanana tany Chine nefa noho ny Covid-19 sy ny fikatonan’ny sisintany dia tafajanona tsy fidiny tany efa ho herintaona mahery. Manana olana amin’ny “visa” ihany koa. Betsaka ny efa lany “visa”. Sarotra anefa ny fahazahoana ny “visa” satria tsy manana antony mazava hijanonana any Chine intsony ireo teratany Malagasy ireo. Tsy manome “visa” mihoatra ny 15 andro ny Sinoa ary misy mihitsy aza no efa tsy nomeny “visa” intsony.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 octobre 2021 09:11

    Habakabak’i Madagasikara : Hisokatra amin’i Eoropa sy eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 13 oktobra 2021 ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara amin’i Eoropa mankaty Antananarivo, miaraka amin’ny Air Madagascar sy Air France. Afaka miditra ihany koa arak’izany ireo « vols charters » avy any Milan/Rome Eoropa mankany Nosy-Be Hell-Ville. Mikasika ny sidina na « vol long-courrier » Europe dia hanomboka amin’ny 06 Novambra 2021 izany. Nankatoavina ihany koa ny fisokafan’ny lanitr’i Gasikara amin’ny sidina eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana izany hoe : Maurice –Madagasikara (Air Mauritius) sy La Réunion- Madagasikara (Air Austral) ka vinavinaina amin’ny 23 Oktobra 2021 ho avy izao no hiatombohan’izany. Ankoatry ny « évacuation sanitaire » dia mila “autorisation spéciale”, izay ankatoavin’ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena ny fidiran’ny « Jet privé » na ny « sidina tsy miankina manokana ». Ireo fepetra mifandraika amin’izao fisokafan’ny habakabaka izao :
    Lire la suite ...
Page 1 sur 241