Lalan'ny Tetezan'ny Bekiraro : Mitarozaka ny fanamboarana azy

  • vendredi, 17 mars 2023 18:57
  • Njaka
  • Sary nomena

Manao antso avo amin'ireo tompon'andraikitra misahana ny fanamboarana ity lalana ity ireo mponina eny amin'ny faritra Tetezan'ny Bekiraro noho ny fanoloana fantsona eny an-toerana, izay mitarazoka tsy araka ny tokony ho izy.

​Efa ho rotokom-bolana izay ny fanoloana io fantsona io no efa natomboka, izay lasa miteraka fikorotanan'ny mpandeha, indrindra ireo mpivarotra manodidina.

​Mitaraina araka izany izy ireo manoloana izany, ary miantso ireo tompon'andraikitra ambony mba hanarina sy hamaha ny olana haingana, satria efa maro ireo olona naratra, latsaka ao anaty lavaka vokatr'ity fanamboarana mitarazoka ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.