Fakana an-keriny Morarano Chrome : Navotsotr'ireo jiolahy izy telo mianadahy

  • jeudi, 16 mars 2023 09:11
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Navotsotr'ireo olon-dratsy ireo olona telo nalain'izy ireo an-keriny, tao amin'ny Fokontany Ambohimanarivo, Kaominina Morarano Chrome, Distrika Andilamena, rehefa voatana efa ho 20 andro izay.

Tany Bevakona, Kaominina Amboasary Avaratra, Distrika Ankazobe, Faritra Analamanga no avotra izy ireo, tsy maty fo aman'aina.

Misy loharanom-baovao milaza fa nandoa vola 70 tapitrisa Ariary tamin'ny jiolahy ny fianakaviana ho tambin'ny famotsorana azy telo mianadahy ireo.

Tonga tao amin'ny ivon-toeram-pibaikona ny "Opération harato moa ny Governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Alarobia 15 Martsa 2023, nanolotra fisaorana sy fanampiana ho an'ireo mpitandro ny filaminana izay manao ny ainy tsy ho zavatra manao haza lambo ireo jiolahy, ary nandrava ireo toby fiheren'ireo mpaka ankeriny ka nahatonga azy ireo nikisaka any amin'ny Distrikan'Anjozorobe, Faritra Analamanga ankehitriny.

Jiolahy 11 no lavo tao anatin’ity fakana an-keriny ity.
Koa mbola mitohy ny " Opération Harato" izay tontosain'ireo andian-tafika manokana ireo, any amin'ny faritra Alaotra Mangoro, hamongorona ireo jiolahy mpanao asa ratsy rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.