Loza an-dranomasina tao Ankazomborona : Nisy razana 11 hita androany
- mardi, 14 mars 2023 18:48
- Zakaria
Nisy razana 11 hita androany Talata 14 martsa tany manodidina ny Nosy Faly. Heverina fa mbola anisan’ireo olona tao anatin’ilay sambo dobo an-dranomasina tany Ankazomborona ireo.
Vehivavy ny 5, lehilahy ny 4 ary zaza ny 2 amin’ireo faty hita ireo.
Tafakatra 32 izany izao ireo faty hita.
Fantatra fa nisy vehivavy 2, isan’ireo avotra tao anatin’io sambo rendrika nitondra olona an-tsokosoko ho any Mayotte, no voasambotra tany Antsohihy.
Hanampy amin’ny famantarana ny marina manodidina ity raharaha ity ny fanadihadiana azy ireo.
Misy ihany koa ireo mbola karohina tafiditra amin'ity raharaha ity.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
https://gasypatriote.com/tselatra/item/29371-loza-an-dranomasina-tao-ankazomborona-nisy-razana-11-hita-androany.html#sigProGalleria931b2d3a0a
https://gasypatriote.com/tselatra/item/29371-loza-an-dranomasina-tao-ankazomborona-nisy-razana-11-hita-androany.html#sigProGalleria931b2d3a0a
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.