Sambo dobo tao Ankazomborona : Mbola nisy faty roa hita androany

  • mardi, 14 mars 2023 18:24
  • Zakaria

Nisy faty roa hita tao Antafiambotry Nosy Faly androany Talata 14 martsa antoandro. Heverina fa mbola anisan'ireo mpandeha tao amin'ilay sambo nitondra olona saika hiondrana an-tsokosoko ho atsy Mayotte, saingy rendrika tany amin’ny fari-dranomasina Ankazomborona ireo faty ireo.

Efa simba ireo faty, ka halevina anio tolakandro ihany, raha tsy misy havany maka, araka ny antso nataon'ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.