4x4 navadiky ny ranotrambo tao Analavoka : Mbola karohina ny zandary G2C Randrianantenaina Sedrick

  • mardi, 14 mars 2023 12:24
  • Zakaria
  • Sary ZP

Enina andro aty aorian’ny nitrangan’ny loza dia mbola karohina ny iray tamin’ireo olona tao anaty fiara tsy mataho-dalana na 4x4, fiaran'ny Lehiben'ny Distrika nitondra azy, izay lasan'ny ranotrambo teo amin'ny “radier” Mangaraky, Kaominina Analavoka, Distrika Ihosy, Faritra Ihorombe, tamin'ny atoandron'ny 08 martsa 2023.

Ny zandary G2C Randrianantenaina Sedrick io mbola tsy hita hatramin’izao io. Efa miezaka mitady ny Fokonolona sy ireo Mpitandro filaminana mitomandavana io renirano io, saingy tsy mbola nahazoam-baovao hatreto, ka anaovan’ny Zandarimaria fanentanana ombay mitady hahitana azy.

Namoy ny ainy tamin’io loza io ny Lehiben'ny Distrika Ivohibe Rakotomamonjy Norosoa Nambinina Andrée.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.