Rivo-doza Freddy : Mitombo hery izy, manatona ny Morontsiraky Mozambika

  • vendredi, 10 mars 2023 10:37
  • Tigre
  • Sary nindramina

Manalavitra an'i Madagasikara hatrany ny rivo-doza Freddy, efa any amin'ny 930km miala ny morontsiraka malagasy ny foibeny, mihamitombo kosa anefa ny heriny, raha manatona ny Morontsiraky Mozambika, miaraka amin'ny rivotra 120km/ora, sy tafiodrivotra 148km/ora izy.

Mbola misy fiantraikany amin'ny toetr'andro eto Madagasikara anefa izy.

Foana avokoa ireo fampitandremana rehetra ho an’ny any an-dranomasina eto Madagasikara.

Toetrandro :

Ny Maraina :
Hisy sisan'orana tandrifindrahona manakaiky ny Distrikan'i Manja sy Beroroha, ary ny morontsirak'i Analanjirofo sy Atsinanana. Handrahona vao maraina ny andro any Melaky sy ny ilany atsinanan'ny afovoan-tany. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa.

Ny Tolakandro :
Hitohy ny orana tandrifindrahona malefaka any amin'ny morontsirak'i Analanjirofo sy Atsinanana. Hisy oram-baratra any Betsiboka, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron'i Mania, Menabe, ary ny tapany avaratra amin'ny faritra Atsimo andrefana. Handrahona ny andro any Alaotra Mangoro, Sofia, Sava, Fitovinany, Atsimo atsinanana sy ny tapany atsinanan'i Matsiatra Ambony. Hibaliaka ny masoandro amin’ny faritra sisa.

Ny Maripana :
Antananarivo 18/25, Antsirabe 14/24, Fianarantsoa 17/25, Morondava 24/30, Mananjary 24/30, Farafangana 25/29, Nosy-Be 23/32, Toamasina 23/31, Mahajanga 24/33, Taolagnaro 23/28, Sainte-Marie 25/30, Toliara 24/31, Antsiranana 23/33, Antalaha 24/33, Maintirano 24/31, Maevatanana 24/ 34, Ambositra 16/24, Ranohira 19/25.

(Loharano Météo Madagasikara)
(Sary Sat24 - tameteo)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.