Marolambo : Nandefasana gropy manana tanjaka 110 KWA hamahana ny olana

  • lundi, 21 novembre 2022 19:25
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanainga tao Toamasina ny Alatsinainy 21 novambra atoandro ny "Groupe électrogène", manana tanjaka 110 KWA, hanoloana ny any Marolambo, izay potika niharan'ny fandoroana ny Alahady 20 novambra alina.

Hatao ny ezaka rehetra mba hahatongavan'ity fitaovana ity farak'izay haingana, na dia eo aza ny hasarotan'ny làlana mirefy 130 km, hoy ny Tale iraisam-paritra Ramatoa Randriamampionona Tsitohery Francesca. Ity farany ihany koa nilaza fa tsy maintsy hanorina "hangar" vaovao ny JIRAMA, satria may tsisy azo raisina intsony ilay teo aloha.

Tombanana ho 78 Kwh isan'andro ny filan'ny tanànan'i Marolambo, kanefa tsy namokatra afa-tsy 26 Kwh isan'andro ilay milina teo aloha.

Miantso ny fitoniana ho an'ny rehetra ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore, satria efa mandray andraikitra ny fitondram-panjakana amin'ny famahana ny olana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.