Jirama Marolambo : Sady efa nitsipozipozy no nisy nandoro indray

  • lundi, 21 novembre 2022 13:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Potika ny Jirama Marolambo. Nisy nandoro ny foibe famokarana herinaratra. Nasaritaky ny andian'olona ny antontan-taratasy sy fitaovana hafa tsy may.

Ny alin'ny alahady 20 novambra 2022 no nitranga ny fahamaizana. Andian'olona nentin-katezerana noho ny tsy fisiana jiro, ka tsy nahitana lalonam-panokafana sy lalao voalohany ny fiadiana ny tompondaka manerantany amin’ny baolina kitra.

Niezaka nanaparitaka sy nifehy ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana, saingy lehibe ny fahavoazana.

Misy roa ny milina mpihary herinaratra an'ny Jirama Marolambo. Nisy fahasimbana ny iray, ka niteraka tsy fahampian’ny herinaratra tsinjaraina ao an-toerana.

Niantso ny Vahoaka ho tony ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, ary nanome toky fa hikaroka vahaolana hahafahana manafaingana ny famatsiana herinaratra ao Marolambo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.