RN1 Bis Tsiroanomandidy - Maintirano : Na 4x4 aza mila tsy ho afaka aminy

  • lundi, 21 novembre 2022 08:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Lalana mirefy 407 km ny RN1 Bis, mampitohy an'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava amin'i Maintirano, Faritra Melaky.

Mampikolay ny mpampiasa lalana ny haratsiany, na ny 4x4, izay fiara mpitatitra amin'iny lalam-pirenena iny aza mila tsy ho afaka aminy. Telo na efatra andro raha malaky, mety herinandro an-dalana rehefa fahavaratra toy izao.

Efa vita "terrassement" io lalana io tamin’ny 2008, ary saika hatao tara ny taona 2009, saingy tsy tanteraka noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena, ary dia rava teo ny nofinofin'ny Vahoakan'i Melaky.

Anisany Faritra manankarena i Melaky, na vokatra an-tanety na an-dranomasina na an-dranomamy. Manankarena ambanin'ny tany koa iny Faritra iny, any rahateo no misy an'i Tsimiroro sy Bemolanga, faritra fitrandrahana solika mavesatra.

Tsiahivina fa anisany faritra nazahoan'ny filoha Andry Rajoelina vato be ny Faritra Melaky tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny taona 2018.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.