Météo Madagasikara sy ny JIRAMA : Nanao hetsika fandatsahan'orana nandritra ny telo andro 16 – 17 – 18 Novambra 2022

  • samedi, 19 novembre 2022 13:18
  • Zakaria

Nanatanteraka hetsika fandatsahana orana ny Météo Madagasikara sy ny JIRAMA ny 16 hatramin’ny 18 Novambra 2022. Ny sahan-driaka Andekaleka sy Tsiazompaniry ary Mantasoa, izay misy ny toha-drano sy ny milina famokarana herinaratra no kendrena amin’izany.

Tanjona tamin’izao hetsika izao ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny famatsiana rano sy herinaratra ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Tsara ny vokatra raha ny fampitam-baovao satria dia niaraha-nahita ny firotsaky ny orana ny 16 Novambra 2022 lasa teo. Mbola nitohy moa izany fandatsahana orana izany ny 17 sy 18 Novambra 2022.

Mikorontana ny famatsian-drano sy ny famokarana herinaratra noho ny tsy fahampian’ny rotsak'orana, ka ritra ny loharano, ary mihena ny fatran’ny rano mikoriana eny amin’ny renirano. Anisan’ny vahaolana amin’izany ny fandatsahana orana artifisialy.

(Loharano : Foibe famantarana ny toetry ny andro)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.