Tale mpitantana ny Jirama : 19 tamin'ireo 30 vita tombanezaka no "nahafapo ary mendrika"

  • dimanche, 13 novembre 2022 18:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nampahafantatra ho fanta-bahoaka tamin’ny Facebook ny tombanezaka, na "entretiens", natao tamin'ireo ampahany voalohany tamin'ny Tale Mpitantana ambony ao amin'ny Jirama ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, Andry Ramaroson.

Vita omaly sabotsy 12 novambra 2022 ny tombanezaka.

Olona dimy, araka ny fanazavany, no manome naoty dia (1) ilay Tale tombanan'ezaka, (2) ny Tale Jeneraly, (3) ny CA na Conseil d'administration, (4) ny PCA na ny Président du Conseil d'Administration ary ny farany faha (5) dia ny Minisitra. Atambatra ny naotin'izy 5 dia alaina salanisa (moyenne).

30 ireo vita tombanezaka tamin'ity, ary mbola hitohy rahampitso Alatsinainy 14 novambra izany. 19 ny nahafapo ary mendrika ho tohanana mba hahomby misimisy kokoa.

11 tsy nahazo "moyenne". Misy amin'ireo ny hiverenana dinihana tsara mba hahitana ny toerana mety hahombiazany. Misy amin'ireo mampieritreritra, hoy hatrany i Andry Heriniaina Ramaroson.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.