Hetsika Karapanondrom-pirenena : Fanamby lehibe ny tsy maintsy isitrahan'ireo Malagasy mbola tsy manana an'izany

  • samedi, 12 novembre 2022 20:03
  • Zakaria
  • Sary : MID

Nitohy Tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Tsaratanana, Distrikan'i Boriziny ny fitsidihan’ny delegasiona tarihin'ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin, ny Faritra SOFIA, notarihan'i Governora Lylison René de Rolland, ny alakamisy 10 novambra 2022.

Mahakasika ny hetsika fanomezana didy misolo sora-pahaterahana sy fanomezana karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana, dia voaporofo tao amin'ity Kaominina Tsaratanana ity, fa tena maro ny salanisan'ny olona feno taona tsy manana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena, antony iray maha- zava-dehibe ny fisian'ny hetsika tahaka izao.

Araka izany dia mitohy hatrany ny fanentanana ireo tompon'andraikitra isam-pokontany handray ny andraikiny avy, ao anatin'izao hetsika izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.