Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo : Nifarana androany ny atrik'asa fakan-kevitra isam-paritra

  • vendredi, 11 novembre 2022 18:01
  • Zakaria
  • Sary : MID

Raha nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teto amin'ny Faritra Analamanga ny 28 jolay 2022 ny atrik'asa fakan-kevitra isam-paritra handrafetana ny Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo eto Madagasikara, dia nofaranana tao amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana izany androany zoma 11 novambra 2022.

Notanterahina nandritra ity herinandro ity ihany koa ny atrikasa tao amin'ny Faritra Melaky, Vatovavy ary Fitovinany.

Betsaka ireo hevitra voaangona, ary hisy ny atrikasa nasionaly handravonana izany rehetra izany atsy ho atsy.

Ny tanjona dia ny hisian'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana mizaka tena sy mandray andraikitra mba ho antoky ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.