Fanolanana sy famonoana zazalahy kely 7 taona : Vazaha Espaniôla lahy iray sy Malagasy telo naiditra am-ponja vonjimaika eto Morondava

  • mercredi, 09 novembre 2022 17:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Zazakely 07 taona iray no hita faty tao anaty "piscine" tamina hotely iray teto Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe.

Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy teto an-toerana, dia fantatra fa nisy nanimba ity zazalahikely ity, ary nalefa tany anatin'ilay dobo filomanosana ny fatiny, hoentina hilazana fa nilentika ho azy tao izy.

Rehefa nitohy ny fanadihadiana nataon'ny Polisy dia fantatra fa vazaha iray 70 taona, teratany "espagnol" no niaraka tamin'ilay zazalahy kely nilalao tao anaty dobo filomanosana, ary samy tsy hita ny nalehan'izy ireo avy eo.

Niray tsikombakomba tamin'ity vahiny ity ihany koa ny vehivavy tompona hotely, sy ilay mpiambina ilay dobo filomanosana, ary ny tovolahy iray hafa, izay fantatra fa samy nanafina ny fatin'ilay zazalahy kely.

Nosamborina avy hatrany izy efatra ireto, ary rehefa natolotra ny Fampanoavana, dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'i Morondava.

Nahoraka an-gazety sy tamin’ny tambazotra sosialy ity raharaha ity. Samy mitaky ny hivoahan'ny marina sy ny hampiharana sazy henjana amin'izay tompon'antoka amin'izao zava-mamohehatra izao ny mpaneho hevitra.

Nirohotra maro teny anoloan’ny Fitsarana ny olona taty Morondava, omaly tolakandro, nanaraka akaiky ity raharaha ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.