Solika mitapoka : Tra-tehaka tao Tanandava Toamasina ny fitaovana sy ny mpanao azy

  • dimanche, 18 septembre 2022 20:07
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voaporofo ary tsy honohono fa tena nisy ny fisian’ny solika nampitaraina ny maro sy niteraka resabe teny amin’ny tambazotran-tserasera.

Tra-tehaky ny Zandarimaria tao Tanandava Toamasina ny tambazotra mpanampoka solika, miaraka amin'ny fitaovana sy ny akora ampiasain'izy ireo.

Nifarimbona ary niasa mangina ny mpitandro filaminana sy ny OMH ary ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo, ka nahatratrarana ambodiomby ireto mpanao hosoka ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.