GALO Jessica Tiana : Sangany tamin’ny bakalorea teknika, maniry ho lasa “Expert comptable”

  • dimanche, 18 septembre 2022 17:09
  • Zakaria
  • Sary : METP

Ramatoakely GALO Jessica Tiana, 18 taona no sangany tamin'ny bakalorea teknika 2022 farany teo, manerana an'i Madagasikara.

Avy ao Mahajanga i Jessica, ary tao amin’ny Lycée Saint Gabriel Mahajanga no nianatra, nanaraka ny lalam-piofanana “Comptabilité et Gestion (CG)”.

Nahazo “mention très bien” izy, amin'ny salan'isa 17,93/20 tamin’ny fanadinana bakalorea.

Tanjony ny ho lasa “Expert comptable”, ary izay indrindra no antony nisafidianany ny fampianarana teknika, satria manan-danja be aminy ny fampianarana ny fototra rehetra ahafahany manatratra izay tanjona izay.

Anisany faniriany ny hanohy fianarana any ivelany, ary vonona tanteraka izy hanatratra izany tanjona izany, satria aminy “ny fianarana no lova tsara indrindra”.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.